Tongasoa eto amin'ny iBoky Malagasy

Fampahafantarana

Faly mandray anao ny iBoky Malagasy. Tranonkala ahafahanao manjifa ireo karazam-boky avy amin'ny asa soratr'ireo mpanoratra Malagasy taloha sy ankehitriny amin'ny endrika elektronika. Fahafahana malalaka ho an’ny Malagasy rehetra maneran-tany hianoka, hamaky ary hankafy ny iboky Malagasy ho fianarana sy ho fikolokoloana tsy hanadinoina ny tenin-drazana n’aiza n’aiza misy azy eran'izao tontolo izao. “Andrianiko ny teniko, ny an'ny hafa koa feheziko” hoy i Di na Henri Rahaingoson. “Fohazy ny tany mba ho taitra, fehezo ny teny mba ho raitra” hoy kosa i Tsaratiana. Mazotoa mamaky ary.

Ireo iboky malaza sy be mpakafy

40 000 Ariary / 18 Euros
15 000 Ariary / 7 Euros
15 000 Ariary / 7 Euros
5 000 Ariary / 4 Euros
Hijery ny rehetra

Ahoana no hatao raha hividy iboky ?

Voalohany, karohinao eto amin'ny tranonkala ny iboky tianao ho vidiana ary alohanao amin’ny alalan’ireo karatra fampiasa eny amin’ny banky na PAYPAL ny vidiny. Azo atao tsara ihany koa ny mampiasa ireo fandefasam-bola amin’ny alalan’ny finday toy ny MVOLA, ORANGE MONEY ary AIRTEL MONEY eto amin’ny iBoky. Rehefa vita izay, dia azonao raisina sy alaina ao anatin’ny kaontinao manokana eto amin’ny tranonkala iBoky Malagasy ny iboky novidianao.

Tora-pon'ny Mpanoratra

“Mba tena faniriako ny hamelona indray ao am-pon'ny Malagasy tsirairay ny fitiavana mamaky boky malagasy. Maro ireo sangan'asa fahiny sy ankehitriny no tena avo lenta ary tsy mena-mitaha. Ankasitrahana ny fisian'ny iBoky Malagasy hamelona indray izany fitiavana izany eo amin'ny Malagasy manerantany.“

- Tsaratiana -
2022-07-23 11:51:43

“Ny iBoky Malagasy dia sehatra iray afaka manampy ny mponina sy ny firenena malagasy amin'ny fampiroboroboana ny tenim-pirenena. Tombony lehibe ho azy ny fahafahany mampiseho amin'ny sehatra iray ireo karazam-boky malagasy maro misy. “

- Andrianitsiahy -
2022-07-23 07:32:31

Ohabolana sy Hainteny

Aza mandraraka ilo mby an-doha

Ny teny ilo dia avy amin’ny diloilo na menaka, izany hoe diloilo tonga eo amin’ny loha. Ny diloilo dia sokajiana ho toy ny zavatra tsara, zavatra...

Mitsikitsikia

“ Indray andro hono ……
Sendra tafaporitsaka tao anaty hady ity akoholahy anankiray nitady hanina. Indro tsy nampoizina nipoitra avy any anaty tsiloraketaka avy ny Rakary (sakadia) efa noana mafy tokoa...”