Tongasoa eto amin'ny iBoky Malagasy

BAREA - Verenako Myriam Blériot

Fampahafantarana

BAREA, angano malagasy izay nosoratan’i Verenako Myriam Blériot, tamin’ny taona 2019, fotoana nampalaza ny baolina kitra malagasy, indrindra ny Barea an’i Madagasikara, izay nandray anjara amin’ny fifaninana hiadina izay ho tompon-dakan’i Afrika amin’ny taranja baolina kitra. Izany angano izany dia miresaka indrindra ny mahakasika ny Barea na ny omby eto Madagasikara. Ny angano moa dia noforonina mba hampitana lesona sy hevitra ho an’ny olona rehetra indrindra ny ankizy. Ny angano koa dia isan’ny fitaovana tena tsara entina hilazana ny haben’ny lanjan-javatra iray eo anivon’ny fiaraha-monina. Iaraha-mahalala fa ny omby dia maneho ny maha malagasy ny malagasy rehetra ary ihany koa tahaka ny sary entina mampiseho an’i Madagasikara na aiza na aiza. Izany hoe ity boky ity dia azo sokajiana ho isan’ny boky izay nanasongadina ny sarin’i Madagasikara sy ny zavatra mampalaza ny firenena. Hoy ny Mpanoratra ity boky ity : "Tsara raha fantarina ny atao hoe barea. Izany indrindra no antony nanosika ny tenako nanoratra ity angano ity".

Lohateny : BAREA
Mpanoratra : Verenako Myriam Blériot Fantaro
Sokajy : Angano
ISBN / DL : -
Pejy : 23
Voajifa : 0
Vidiny : 5 000 Ariary - 4 Euros
BAREA

Ahoana no hatao raha hividy iboky ?

Voalohany, karohinao eto amin'ny tranonkala ny iboky tianao ho vidiana ary alohanao amin’ny alalan’ireo karatra fampiasa eny amin’ny banky na PAYPAL ny vidiny. Azo atao tsara ihany koa ny mampiasa ireo fandefasam-bola amin’ny alalan’ny finday toy ny MVOLA, ORANGE MONEY ary AIRTEL MONEY eto amin’ny iBoky. Rehefa vita izay, dia azonao raisina sy alaina ao anatin’ny kaontinao manokana eto amin’ny tranonkala iBoky Malagasy ny iboky novidianao.

Tora-pon'ny Mpanoratra

“Mba tena faniriako ny hamelona indray ao am-pon'ny Malagasy tsirairay ny fitiavana mamaky boky malagasy. Maro ireo sangan'asa fahiny sy ankehitriny no tena avo lenta ary tsy mena-mitaha. Ankasitrahana ny fisian'ny iBoky Malagasy hamelona indray izany fitiavana izany eo amin'ny Malagasy manerantany.“

- Tsaratiana -
2022-07-23 11:51:43

“Ny iBoky Malagasy dia sehatra iray afaka manampy ny mponina sy ny firenena malagasy amin'ny fampiroboroboana ny tenim-pirenena. Tombony lehibe ho azy ny fahafahany mampiseho amin'ny sehatra iray ireo karazam-boky malagasy maro misy. “

- Andrianitsiahy -
2022-07-23 07:32:31

Ohabolana sy Hainteny

Aza mandraraka ilo mby an-doha

Ny teny ilo dia avy amin’ny diloilo na menaka, izany hoe diloilo tonga eo amin’ny loha. Ny diloilo dia sokajiana ho toy ny zavatra tsara, zavatra...

Mitsikitsikia

“ Indray andro hono ……
Sendra tafaporitsaka tao anaty hady ity akoholahy anankiray nitady hanina. Indro tsy nampoizina nipoitra avy any anaty tsiloraketaka avy ny Rakary (sakadia) efa noana mafy tokoa...”